Actualités

Saran-dalana 400 Ariary Lavin’ny mpiaro ny zon’ny mpanjifa


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2012

Ho tanteraka sa tsia ny fanondrotan’ny mpitatitra miasa eto an-drenivohitra ny saran-dalana ho 400 Ariary manomboka amin’ny alakamisy 1 novambra izao.

 izay hevitra sy fihetsiky ny mpanjifa. Ireo fikambanana sy sendika miaro ny zon’ny mpanjifa kosa anefa dia mitsipaka tanteraka izay fampakarana saran-dalana izay. Miantso ny mpanjifa tsy hanaiky io saran-dalana vaovao io ny federasionan’ny mpiaro ny mpanjifa tamin’ny alalan’ny filohany Rakotovao Lyms izay nilaza fa mijanona ho 300 Ariary na amin’ny fomba ahoana na ahoana. “Tsy hanao herisetra na hanimba zavatra isika fa ho tony tsara fa ny firaisankina no hery”, hoy izy.

Nampiany fa tsy matiantoka izany ny mpitatitra amin’ny saran-dalana ankehitriny fa ireo kaoperativa no tena mitady vola. Ankoatra izay dia tsy tokony hanaiky intsony ny fiverenana an-dalana ataon’ny taksibe sasantsasany koa ity federasiona ity. Na izany aza dia mahatsapa ity federasiona ity fa sahirana ihany koa ny mpitatitra. Soso-kevitra arosony ny hanafoanan’ny fanjakana ny TPP, izany hoe ny haba alaina amin’ny solika mba hampidinana ny vidiny. Ny mpitatitra ihany anefa no omena an’io araka ilay soso-kevitra fa tsy ny mpampiasa fiara rehetra akory.

Yves 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • METFP,
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Poste budgétaire 2023-2025

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

Hamboarina ny fefiloha

  • Niakatra fitsarana
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

noho ny afera « Boeing »

  • Fikojakojana ny
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

“décanteur Pulsator II” Mandroseza

  • Sehatry
  • Alakamisy 08 Oktobra 2026

ny angovo avy amin’ny masoandro

  • Groupe
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

des intellos Bezanozano

Hijery ny tohiny
FTT