Azo ambara hoe mihatra amin’ny ampahany ny fisondrotan’ny saran-dalan’ny taksibe ho 400 ariary, raha ny zava-misy teto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina tao anatin’ny roa andro no dinihana.
Nitontona tao anatin’ny fotoana tsy niasan’ny besinimaro sy tsy nianaran’ny mpianatra ny fampiharana io sarandalana vaovao io, ka mbola baraingo ny zavatra hitrana amin’ny alatsinainy. Fa raha ny zava-nisy hatreto aloha dia nisy ireo taksibe, toy ny zotra 194 tonga dia sahy nampihatra ilay saran-dalana 400 Ariary ary nizara ny tapakila mifanaraka amin’izany tamin’ny mpandeha. Nisy koa ireo nampiakatra ny marainan’ny 1 novambra saingy tsy naharitra ela izany dia niverina ho 300 Ariary indray satria nidrikina tsy nety nandoa vola ny mpandeha, tahaka ny zotra 119 ohatra. Lasa nitarika olana sy fifamaliana tamina toerana maro mihitsy moa izy ity, fa ny hita aloha dia tsy sahy nampihatra ilay saran-dalana 400 Ariary ireo taksibe mandeha eny amin’ny toerana mafampana tahaka ny eny Ankatso sy Ambohipo satria matahotra ho potehan’ny olona ny fiara. Misy koa anefa ireo zotra mivoaka ny renivohitra no mbola nitazona ilay 300 Ariary ihany aloha.
Mizara tahaka ny hevitry ny mpitatitra ihany koa ny hevitry ny mpandeha, ka ao ireo mahita fa rariny raha mba miakatra 100 Ariary ny saran-dalana satria efa tena lafo ny solika sy ny kojakoja ho an’ny fiara ankehitriny. Misy kosa anefa ny olona tena manizingizina fa mbola mahazo tombom-barotra tsara ny mpitatitra amin’ilay sarany 300 Ariary miampy ny tapa-dalana 200 Ariary. Amin’ny ankapobeny anefa rehefa tena natao ny fanadihadiana dia mavesatra ho an’ny isan-tokantrano io saran-dalana 400 Ariary io, satria raha olona 2 no mandeha miasa, na mianatra isan’andro dia efa 1600 Ariary izay raha toa ka taksibe iray ihany no raisina.
Maro anefa ny tokantrano ahitana olona 3 ka hatramin’ny 5 no tsy maintsy mandeha taksibe isan’andro. Ary ny tena olana amin’ity resaka ity dia ireo olona voasokajy ho mbola sahirana, ka tsy afaka manao tahiry isam-bolana fa izay vola azo dia efa manana ny ampiasaina azy daholo, no tena manjifa ny taksibe. Ireo efa tsy manam-bola moa dia mandeha an-tongotra, ny manan-katao manana ny fiarany ka mety tsy voakasika izay fiakarana na fidinan’ny saran-dalan’ny taksibe. Re fa efa manana soso-kevitra ny amin’ny hanalefahana ny hetra sasany mihatra amin’ny mpitatitra ihany ny fanjakana, saingy tsy tena mbola nisy aloha hatreto ny fanapahan-kevitra iombonana. Ny tanjona amin’izany moa dia sady tsy maty antoka ny mpitatitra, no voatazona ilay sarany 300 Ariary, fa raha ilay 400 Ariary aloha no hampiharina amin’ny zotra rehetra dia mety ho avy ihany ny fipoahana ara-tsosialy eto.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.