Na dia efa enim-bolana katroka aza izao no nanaovan’ny mpitatitra antso avo amin’ny fitondram-panjakana ny amin’ny tokony hanomezan’izy ireo vidin-tsolika manokana ho an’ny mpitatitra mba hampihena hatrany amin’ny 40% ny fandaniana ataon’izy ireo amin’ny fividianana solika dia tsy mbola hita ihany hatreto izay fanapahan-kevitra noraisin’ireto farany.
Mbola ny fampiasana ny karatra ihany mantsy no vahaolana naroson’izy ireo hatramin’ny omaly, vidian’ny mpitatitra any amin’ireo tompon’andraikitra misahana izany ary mampihena kely ny vidin-tsolika fotsiny. Araka ny fanazavan’ireo mpitatitra tonga nihaona tamin’ireo minisitra telo lahy tompon’andraikitra (fitaterana, vola ary ny solika) anefa dia mahatratra hatrany amin’ny 67%-n’ ny vola azon’izy ireo no lany amin’ny fividianana solika sy ireo karazana kojakoja ilaina amin’ny fiara amin’izao fotoana izao ka ny 33% ambiny sisa no mba hany hiveloman’izy ireo, antony mahatonga azy hampiakatra ny saran-dalana ho 400 Ar.
Tsy nisy anefa ny vahaolana na dia izany aza ka samy niala maina ny roa tonta. Ny hany mampanahy dia ny mety hisian’ny ady an-trano eo amin’ny samy mpitatitra raha minia manao be marenina hatrany ny fitondrana. Ho an’ireo mpitatitra sasany eto an-drenivohitra mantsy dia vao mainka mandreraka azy ireo ny mahita ireo mbola manao saran-dalana 300 Ar izay nomarihin’izy ireo fa mamono ny vahoaka satria miverina an-dalana ka tafakatra 600 Ar ny saran-dalan’ny olona iray vao tonga any amin’ny tokony halehany indraindray. Raha fehezina izany dia any am-pelatanan’ny fitondram-panjakana ihany ny vahaolana mikasika ity saran-dalana ity.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.