Manomboka anio alarobia 1 febroary ny fotoana nambaran’ny Vondron’ireo mpitatitra an-tanàn-dehibe na ny UCTU ny mpanjifa fa hiakaran’ny saran-dalana ho 500Ariary.
Misy amin’ireo koperativa no efa nametaka filazana sy fampahafantarana izany tany anaty fiara fitateram-bahoaka, toy ny zotra 137, 172, 199... Maro ihany koa anefa no tsy nanao ary mbola baraingo hatreto na hampiakatra izy ireo na tsia. Raha ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny UCTU Andrianambinintsolomora Bernardin anefa dia iray tsy mivaky ny mpitatitra ary tsy hihemotra amin’ny fanapahan-keviny. Efa im-betsaka ihany ny UCTU no nilaza ny hampiakatra saran-dalana noho ny ambaran’izy ireo ho fantiantoka noho ny fiakaram-bidin’ny solika. Mbola mampifanolana azy ireo sy ny ATT ihany koa ny resaka fanampiana na “Subvention” sy ny fanonerana ny elanelam-bidin’ny solika na “Compensation”, izay tokony homena ny mpitatitra. Ny tamin’ny 2015 aza mbola misy ny tsy nahazo, hoy ny filohan’ny UCTU. Etsy an-kilany, manamafy ny eo anivon’ny Sampandraharaha misahana ny fitataterana an-tanety na ny ATT, fa tsy ara-dalàna ny fanapahan-kevitra tadiavin’ny mpitatitra hatao. Tokony hampahafantarina ny mpanjifa 15 andro mialoha, hoy ny ATT. Mahagaga ihany ny tenin’ny filohan’ny UCTU hoe iray tsy mivaky ny mpitatitra satria nilaza ny tsy hampiakatra ny saran-dalany ireo mpitatitra mivondrona eo anivon’ny UCTS, izay misehatra amin’ny fitaterana mampifandray ny renivohitra sy ny manodidina, izay toa mandiso ny filazan’ny filohan’ny UCTU. Raha atao kajy tsotsotra hoe mandany gazoala 25 litatra isan’andro ny mpitatitra, ka 100 Ariary ny fiakaran’ny vidin-tsolika, dia 2500 Ariary isan’andro izany no vesatra sy vola miala amin’ny mpitatitra vokatry ny fiakaran’ny vidin-tsolika. Anjaran’ny rehetra no misaintsaina hoe azo ekena sy ara-drariny ve ny fampiakarana saran-dàlana ho 500 ariary ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.