Mitohy ny fiaraha-miasa sy ny fifanakalozana traikefa amin’ny avy any ivelany ny sampan-draharaha mpamonjy voina eto amin’ny Kominina Antananarivo. Nihaona tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny CUA, Atoa Razafimahefa Heriniaina, izay nisolo tena ny Ben’ny Tanànan’Antananarivo Lalao Ravalomanana,
notronin’ny lehiben’ny sampan-draharaha mpamonjy voina eto an-drenivohitra, Cdt Rakotondrabe Jean Fidel ny avy amin’ny « Association des Sapeurs Pompiers Vendée France » omaly. Mitsidika eto Madagasikara mantsy ny Filohan’io Fikambanan’ny mpamonjy voina io, dia ny Lt Eric Chaupin sy ny Cdt Lionel Guérain, izay tonga tao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely omaly zoma 24 Novambra 2017. Nivoitra ny hitohizan’ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ny fanampiana ny mpamonjy voina eto Antananarivo Renivohitra, izay nitsahatra efa hatramin’ny taona 2014. Efa tamin’ny taona 1998 no nisian’ny fiaraha-miasa ary fiara 37 sy kaontenera 9 misy fitaovana fampiasan’ny mpamonjy voina no efa nomen’ny “Association des Sapeurs Pompiers Vendée France” tamin’izany. Ankehitriny dia tsapany fa mety tsara ny fiaraha-miasa amin’Antananarivo Renivohitra, ka vonona indray izy ireo hanohy izany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.