Actualités

Sandan’ny fitrandrahana vy any Soalala Ambohitsorohitra no hampiasa ilay 100 tapitrisa dolara


  • Zoma 03 Septambra 2010

Nilaza ny filohan’ny FAT omaly fa misy ilay vola 100 tapitrisa dolara avy amin’ny orinasa sinoa Wisco mitrandraka vy any Soalala. Fantatra kosa anefa fa tsy natao anatin’ny tetibolan’ny ministera ity vola ity fa avy hatrany dia nomena ny FAT eny Ambohitsorohitra.

Mampametra-panontaniana hoe atao inona eny moa ity vola be ity ? Hatrany am-boalohany no efa nampisalasala ny fisian’io volabe io. Na ny teo anivon’ny Banky foibe aza mantsy tsy nahasahy nilaza nivantana ny fisiany. Mbola mampitombo ny ahiahy koa ny tsy nanaovana azy tao anatin’ny tetibolan’ny ministera isanisany fa hoe atoby ao amin’ny fiadidiana ny FAT daholo. Misy marina ilay vola sa tsy misy ? Mbola baraingo izany. Raha misy, nahoana no any Ambohitsorohitra no hitantantanana azy ? Toa mampahatsiaro ilay resaka fandroahana ilay mpiandraikitra vola tao Ambohitsorohitra mantsy ity resaka ity. Araka ny loharanom-baovao dia nisy ifandraisany tamin’ny volabe lany tamin’ny fanasana fiaraha-misakafo teny Iavoloha tamin’ny fiarahabana noho ny fahatrarana ny taona farany teo ilay fandroahana. Volabe tsy araka ny tokony ho izy mantsy ny fandaniana tamin’io ka tsy fantatra izay niafaran’ny vola. Ny raharaha anefa dia hatramin’izao toa tsy heno izay famotorana mba mikasika an’izay. Izao anefa lazaina fa hotovonana ilay 100 tapitrisa dolara avy amin’ny Wisco indray ny vola ho eny Ambohitsorohitra ka dia ho hita eo ny tohiny ! 

Fa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT