Vaky ny nafenina ! Mitarain-dava ho tsy ampy enti-manana, vola, fitaovana ary solika, ny tao amin’ny SAMVA (Service Autonome de la Maintenance de la Ville d’Antananarivo) ka tsy nahafahany nanao an-tsakany sy an-davany ny fanalana fako teto Antananarivo Renivohitra sahaniny, ka fototr’ireny loto sy fako
nivangongo eran’ny tanàna ireny ary nampirongatra ny pesta tetsy Ankasina tamin’ny taon-dasa mihitsy aza. Mazava ankehitriny ny resaka fa vokatry ny fanodinkodinana solika tokony hamatsiana ireo fiara mpitaona fako nataon’ny tomponandraikitra sasany tao amin’ity Sampandraharaha mahaleotena misahana ny fikojana ny tanànan’Antananarivo ity, niarahana nitsikomba tamina mpitantana toby mpaninjara solika sy mpanana fiara sasantsasany niara-niasa tamin’ny SAMVA, no antony. Manampy trotraka izany ny fampidirana mpiasa tsy manaraka ny fombafomba fanao takian’ny lalàna momba izany ary nanoloana ireo mpiasa sasany naharaka ny toe-draharaha. Tonga teny amin’ny Bianco ny raharaha. Nanao fanadihadiana ity Birao mahaleotena miady amin’ny kolikoly ity, ary efa natolony ny Fitsarana manokana misahana ny ady amin’ny kolikoly (Chaîne pénale Anti-Corruption) ny vokatr’izany ary mety hiakatra fitsarana amin’ity herinandro ity ihany ny raharaha.
Jean D.
|
|
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.