Maloka tanteraka ny lanonam-panamarihana ny andron’ny sekoly tany Mahajanga, renivohitry ny faritra Boeny.
Nodimandry tampoka teo amin’ny faha-55 taonany omaly tokony ho tamin’ny 10 ora sy sasany mantsy ny Talem-paritry ny fanabeazam-pirenena (DREN) any an-toerana Samuel Christophe. Raha ny fampitam-baovao avy any an-toerana dia nitambotsotra tampoka tao amin’ny toerana nialana hetaheta ny tenany rehefa avy nandray fitenenana nandritra ny lanonana nenti-nanamarika ny fetin’ny sekoly. Nentina avy hatrany tany amin’ny hopitaly izy saingy minitra fohy taorian’izay dia tsy tana intsony ny ainy. Raha ny fanamarihana azo, tsy nahafaly loatra ity tompon’andraikitra ity ny fikarakarana ny andron’ny sekoly. Hentitra ny tenany tamin’ny fananarana ireo mpanabe sy ny mpianatra amin’ny fanajana ny fanevam-pirenena nandritra ny fanamarihana ny andron’ny sekoly izay somary goragora ihany. Nitondrany kiana mafy ihany koa ny fomba fitafin’ireo mpianatra sasany izay misy ny tsy maotina. Tsy nananany havana ny fanatanterahany ny asany fony fahavelony, indrindra teo amin’ny sehatry ny fanabeazana. Efa nisahana andraikitra maro izy : mpampianatra, ben’ny tanàna tany Maintirano, Sefo Cisco tany Maintirano, kaomisera jeneraly nisahana ny fanabeazam-pirenena ho an’ny faritany Mahajanga, loholona, ary talem-paritry ny fanabeazam-pirenena tany Boeny talohan’izao fahalasanany tampoka izao. Ny Gazety Tia Tanindrazana dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany manontolo sy ny fianakaviamben’ny fanabeazam-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.