Samy mihinana amin'ny asany ! Io no azo ilazana ny zava-misy ao amin'ny sampandraharaha misahana ny hetra any amin'iny faritra Anosy iny.
Tsy honohono fa zava-misy iainana io, araka ny fanadihadiana azo tamin'ny mpivarotra vitsivitsy niharany. Ireo izay mandoa hetra na pataty, tratra avokoa. Ny loza, misy mihitsy ny adivarotra ataon'ny tomponandraikitra amin'ireo mpivarotra. Ho an' ireo mpivarotra vitsivitsy afaka mijoro ho vavolombelona raha ilaina dia nambarany fa raha mitentina 400.000 Ar no asain'ny tomponandraikitra aloa, mari-bola hafa no soratany ao amin'ny tapakila. Izany hoe 300.000 Ar ihany no marihina amin'ny recu omena an'ilay mpanjifa. Dia toy izany hatrany. Maro no mimenomenona fa manaraka ambokony. Midika ho kolikoly sy fanararaotam-pahefana no andraisan'ny olona izany. Tsy ao an-drenivohitra ihany no tratran'io fa ireo mpikarakara varotra avy any am-banivolo koa maro no mitondra faisana. Manoloana izany, hialana amin'ny ahiahy, manaitra ny tomponandraikitra tsy hikely soroka hijery sy hanara-maso ireo mpandrahara ao aminy. Toy izany no manaratsy tarehy ny mpiasa rehetra ka voatery ahiahy lava no misy. Tonga amin'ny fitenenana hoe : samy manao izay ihinanany.Tsetsatsetsa tsy aritra no ilazana fa mbola tolona lavitr'ezaka ny ady amin'ny kolikoly.
Ralandy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.