Anjakan’ny gaboraraka ny fitantanana ny biraom-paritry ny fampianarana Teknika sy ny fanofanana arak’asa ao Vakinankaratra amin’izao fotoana. Velon-taraina ireo mpiasa amin’ny fomba fitantanana ataon’ny Talem-paritry ity sampan-daharaha ity.
Saika nampidirin’ny Tale ho mpiasa eo ambany fiadidiany avokoa mantsy ny fianakaviany manontolo ka misahana andraikitra eran’ny faritra amin’izao fotoana hatramin’ny nitantanany ity sampandraharaham-paritra Vakinankaratra ity. Tafakatra ho 13 amin’izao fotoana ny fianakaviana nampidiriny amin’izany ka nanomboka tamin’ny andefimandriny, ny anabaviny ireo iray tampo aminy izany ka nitohy tamin’ny zaodahiny ary manomboka miditra indray ireo lafin-kavany samihafa. Raha ny nambaran’ireo solontenan’ny mpampianatra nitafa tamin’ny mpanao gazety dia tsy olana ho azy ireo ny fampidirany ny havany ao, saingy ny hitan’izy ireo fa tsy mety dia haingana dia haingana no hivoahan’ny naoty maha mpiasam-panjakana azy ireo raha toa ka tsy ampy herin-taona akory no nidirany tao amin’ny sampandraharahan’ny teknika, kanefa misy mpampianatra “vakatera” sy ECD efa an-taonany maro tsy tafiditra ho mpiasam-panjakana mihitsy,izay efa misy 7 taona niasana ny sasany. Raha mba mitady fanazavana hono ireo mpampianatra dia valian’ny Talem-paritra mora foana fa ny minisitra no nampiditra an’ireo ka tsy afa-mandà izy. Ankoatra izany dia mbola mitohy io fandraisan’olona ho mpiasan’ny Teknika io ka ny ora ampianaran’ireo teo aloha no ahena rehefa misy olona ampidiriny ao ka ireo mpiasa efa tao taloha dia misy ny lasa ora roa isan’kerinadro sisa no hiasany raha toa ka 18 ora izany tany aloha.ambaran’ireo mpampianatra sasany fa endrika fandroahana ankolaka azy ireo ka tsy aha-piasam-panjakana azy ireo izao ataon’ny Talem-paritra izao. Miantso ny fitondram-panjakana indray ireto mpampianatra ireto raha toa ka mbola misy ihany koa izany mba hejry indray ity olan’ny fampianarana… Teknika eto vakinankaratra ity izay efa malaza any amin’ny minisitera fa gaboraraka lava. Marihina moa fa nitondra porofo ary nilaza ny toeram-piasan’ireo fianakavian’ny Talem-paritra ireo mihitsy ireo mpampianatra ka saika miparitaka manontolo manerana ireo toeram-panofanana eran’i Vakinankaratra ireo fianakaviany miisa 13 ireo. Mahalasa saina ihany !
Caïus Raharison
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.