Mafy ny asa notanterahin’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana nandritra ny fotoana nandalovan’ny rivodoza AVA teto amintsika. Raha araka ny fanazavan’ny kapiteny Randrianarisoa,
tompon’andraikitra voalohany eo anivon’ity sampana iray ity mantsy dia noho ny efa fisian’ny ranon’orana be izay efa nanamando ny vodin-trano sy ny tamboho teto an-drenivohitra talohan’ny nidiran’ny rivodoza AVA teto amintsika no tena nahatonga izany. Vokany, trano miisa 15 no voatery nazeran’izy ireo rehefa nilana vonjy taminy raha mbola nankinina amin’ny tompony ny efatra fanampiny satria tsy mbola misy atahorana. Nisy tamin’ireo trano ireo raha araka ny fantatra fa nitsiatra tanteraka vatany raha nisy ihany koa ireo efa nirodana ny ampahany. Rindrim-bato miisa 10 ihany koa no niantsoana azy ireo izay natahorana hihotsaka teto an-drenivohitra. Ny mamaha olana ity farany anefa no tena asa sarotra indrindra raha araka ny fanazavan’ny kapiteny Randrianarisoa hatrany satria alana mety hampihotsaka ny faritra manodidina azy, tsy alana hahiana hamono olona. Toraka izany koa ny hazo lehibe izay nihabana ny nanakana ny lalana teny amin’ny arabe ny ankamaroany. Anisan’izany ny teny Nanisana izay nianjera tamin’ny tranon’olona ka tsy maintsy noesorina, ny teny Tsimbazaza, ny teny Alarobia, Ambatobe… Ankoatra ireo dia olona 26 mianaka nonina tetsy Ampasika no voatery nandefasan’ity sampana mpamonjy voina ity lakana ka nafindra toerana noho ny tananany dibo-drano. Tatitra hatramin’ny afaka omaly Alatsinainy 08 Janoary tamin’ny 05 ora hariva moa ireo rehetra ireo, tao anatin’ireo antso an-tarobia miisa 67 voarain’ity sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.