Actualités

Sampana mpamonjy voina Tsaralalana 41 mirahalahy nahavita fiofanana


  • Zoma 30 Jona 2017

Navoaka tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny tobin’ny sampana mpamonjy voina etsy Tsaralalana omaly ireo 41 mirahalahy nahavita fiofanana ho fanatsarana ny asany nandritry ny 4 volana.

Notolorana ny diplaoma BSPPE (Brevé des Sapeurs Pompiers Professional Elémentaire) ny 29 tamin-dry zalahy ireto ary notolorana ny sertifika teknika (CTE) ny 12. Notokanana io omaly io koa moa ny vavahady sy toeram-pidiovana vaovao izay tsangambato tamin’ny tsipaipaikan’ireto andiany nisalotra ny anarana AFO (Agilité, Fièrté, Obeisance), raha ny fanazavana, ary ireo vavahady miakatra (portail) 8 izay natolotry ny fanjakana alemana. Sambany kosa amin’ny fandraisana mpamonjy voina aorian’izao moa no hisy andriambavilanitra ao anatin’ity sampana ity eto Antananarivo satria ny 10 amin’ireo 50 mianadahy vinavinaina horaisina amin’ity taona ity dia vehivavy avokoa, raha ny fanazavana hatrany.

Mirija


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT