Tamin’ny 6ora maraina no nianga ka nandao an’i Mahajanga ity vedety mitondra ny anarana Mavitrika ho any Katsepy omaly alahady 8 novambra.
Raha tonga teny afovoan-dranomasina dia maty tampoka ny milin’ity sambo kely haingam-pandeha ity ka voatery nanamboatra ny mpanamory azy. Ora iray taorian’izay dia nisy onjan-dranomasina lehibe nanarona azy ireo. Nivadika avy hatrany ilay vedety. Olona 20 eo ho eo no tao anatiny izay ho an’ny Katsepy sy Namakia. Samy namonjy ny ainy ireo mpandeha, 2 tamin’izy ireo no maty tsy tra-drano vokatry ny fahasemporana, ireo sisa ambiny dia samy niezaka nilomano namonjy ny sisin-tany. Araka ny fanazavan’ireo mpandeha dia maro ny naman’izy ireo no tsy avotra ary nilentika tao anatin’ny ranomasina. Ny dimy tamin’ireo mpandeha dia avotra soa aman-tsara ny ainy ary ny valo dia voatery nampidirana hopitaly noho ny ratra sy hataraina nahazo azy ireo nandritra ny loza niseho. Tsy tana intsony anefa ny ain’ny olona 3 hafa na dia efa tonga tany amin’ny hopitaly aza. Dimy izany hatreto ireo namoy ny ainy vokatry ny loza niseho tao amin’ny ranomasina omaly tao Mahajanga. Nandray ny andraikiny avy hatrany ny mpitondra tao an-toerana toy ny minisitra ny jono Ahmad izay avy namita iraka tany Mitsinjo nandalo tao Katsepy ary namangy ireo havan’ireo traboina. Tsikaritra tao Mahajanga fa nisy fiovana ny toetr’andro izay nahitana rivotra mifofo mafy. Fantatra fa efa norarana tsy handeha ity vedety ity noho ny toetr’andro tsy ara-dalàna saingy niroso ihany dia izao nitarika fahafatesana olona maro izao. Mihoatra ny lanja tokony ho zakany ity sambo ity ka izay no anisan’ny nahatonga ny loza. Araka ny vaovao voaray dia nitsoaka niafina ny mpanamory.
Tolin
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.