Actualités

Sambo miditra eto Madagasikara Tsy tokony hanao tandrevaka isika, hoy ny manampahaizana


  • Zoma 19 Janoary 2018

Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara, izay voafaritra amin’ny hoe fetra an-tanety sy ana habakabaka ary an-dranomasina.

 Raha misy sambo tsy Malagasy miditra, noho izany eto, dia tokony hahazo alalana amin’ny fanjakana Malagasy vao tafiditra eto, hoy ny fanazavan’ny mpahay lalana sady lehiben’ny sampam-pampianarana ambony momba ny fizahantany eny amin’ny oniversiten’Antananarivo, Harimanana Raniriharinosy. Mankato ny fifanarahana iraisampirenena mikasika ny ranomasina isika, araka ny fifanarahana natao ny taona 1982 sy 2001. Nigadona omaly tao Nosy be moa ny sambo mitondra mpizahatany miisa 1228 mitondra ny anarana hoe Aidaora izay hihazo an’Antsiranana anio, raha ny fampitam-baovao avy amina tompon’andraikitra iray. Ny 27 janoary kosa no ho avy ny sambo Corsa. Tsy tokony hanao tandrevaka, raha ny fanazavan’ny manampahaizana voalaza teo hatrany na dia ao anatin’ny andron’ny fanatontoloana aza isika ankehitriny ny fampidirana ireny sambo ireny eto. Anisan’ny lehibe indrindra amin’ny fitaterana ampiasaina amin’ny varotra ny fitaterana an-dranomasina ka mahatonga ireo firenen-dehibe avy any ivelany manamarina ny fisiana tafika avy aminy aty amin’ny fari-dranomasina Oseanina Indianina. Ny eo amin’ny lafiny fahaverezan’entana an-tenantenan-driaka indray moa no tian’ity manampahaizana ity noresahana teto. Isika aty amin’ny fari-dranomasina atsimo andrefan’ny oseanina indianina dia malaza amin’ny resaka fanafihana an-dranomasina ary mety ho antony mahavery ireo entana taterina anatin’ireny sambo ireny matetika. Mety ho antony iray koa anefa ny resaka vesatra tafahoatra. Misy ny sivana tokony hatao amin’izy ireny saingy toy ny taksiborosy tsy manao taingimbe koa moa io ka dia misy hatrany ny tsy fanarahan-dalàna. Ilaina foana noho izany ny fiantohanaina (assurance). Miankina amin’ny fivelarantsika amin’ny any ivelany kosa ny fiantraikan’izany amin’ny toekarena. 12.000 notika no velaran’ny haavon’ny havoana Malagasy ka anjaran’ireo sambo ny misafidy hoe hijanona izao notika raha toa ka 1852 metatra ny 1000 notika. Zontsika ny mitifitra ireo sambo tsy manara-dalàna aorian’ny fampitandremana.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT