Actualités

Sambava Mandrahona higrevy ny mpanjifan’ny Jirama


  • Talata 15 Septambra 2015

Tsy misy faritra tsy ahenoana fimenomenoman’ny mpanjifan’ny Jirama amin’izao, amin’ny afitsoky ny delestazy.

 

 Tsy vitan’izay tapaka matetika tsy misy lerany mantsy izao ny herinaratra fa dia maharitra indray izao vao miverina. Simba ny sakafo tehirizina any amin’ny vata fampangatsiahana, potika ny fitaovana tsy mahazaka ny fiovaovan’ny tanjaky ny herinaratra, tsy misy fihariana vanona ny an’ny mpandraharaha fa ny loza dia mirongatra ny asan-jiolahy toy ny vaky trano sy ny vono olona, manararaotra ny andro maizina. Re izao fa misy mpandraharaha tsy miankina tapa-kevitra ny hirotsaka amin’ny famokarana herinaratra hamatsiana an’i Sambava. Nanafatra gropy enina izy, ary raha tsy misy ny fiovana dia ho avy amin’ity herinandro ity ireo milina mpihary herinaratra ireo. Io no fara fanantenan’ny mponina hamaha ny olana, fa raha izay fampanantenana nataon’ny mpitondra fanjakana isaky ny mandalo any Sambava dia mijanona ho resaka fotsiny fa tsy arahina fanatanterahana.

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT