Resabe ao Sambava hatramin’izao ny amin’ireo asan-jiolahy mitam-basy nisesy tao an-tampon-tanàna sy ny manodidina, izay nahaverezana vola an-jatony tapitrisa Ariary sy lavanila an-jatony kilao tamin’ny faramparan’iny volana aogositra iny fotsiny
. Ireo lasibatra dia samy mihizingizina fa mpitandro ny filaminana, fantatr’izy ireo, no anisan’ny nanafika. Na nisy aza anefa ny fitoriana napetrak’ireo voatafika dia miriaria ilay mpitandro ny filaminana tondroin’izy ireo ho nandroba, tsy vitan’izay fa mbola mandrahona ny hamono azy ireo ihany koa.
Ny teo anivon’ny zandarimariam-pirenena no namoaka fampitam-baovao omaly fa milaza fa ny 30 aogositra 2015 dia nahatrarana basy kalachnikov iray miaraka amin’ny “chargeur” roa misy bala 37 sy basim-borona iray tsy misy bala ary basy poleta vita gasy iray tsy misy bala ihany koa tao amin’ny distrikan’i Sambava sy Antalaha. Taorian’ny fanadihadiana dia olona fito no voasambotra ary niaiky fa nanao ny asan-jiolahy niseho tao Sambava sy Antalaha ny 20 aogositra 2015 lasa teo. Tsy nisy resaka ny amin’ireo vola be very nandritra ny fanafihana sy ny fiavian’ireo basy sy bala tratra na koa ny amin’ireo fanamiana mpitandro ny filaminana nampiasain’ireo jiolahy nanafika.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.