Actualités

SALON DU JEU ET DU JOUET Hotanterahina ny 5 sy ny 6 desambra ho avy izao indray


  • Alarobia 02 Desambra 2015

Hafana indray ny faran’ny herinandro manomboka ny sabotsy ho avy izao. Hotanterahina ny 5 sy ny 6 desambra ho avy izao indray ilay “Salon du jeu et du jouet” andiany faharoa, karakarain’ny Ecrea event sy ny Okalou.

 

Eny amin’ny Batou Beach Ambohimanambola no hanatanterahana izany ahitana ireo karazana fialamboly maro samihafa ho an’ny ankizy sy ny olon-dehibe. Hampiavaka ity andiany faharoa ity, raha araka ny fanazavan-dRamatoa Lala Disaine izay mpikarakara ny hetsika  ny fisian’ireo karazana fialamboly maro samihafa ho an’ny ankizy izay lasa maimaimpoana avokoa ny 80 %, izany hoe tsy handoavam-bola. Toraka izany ihany koa ny fihenan’ny vidim-pidirana. Raha 10.000 Ar isan’olona mantsy ny fidirana ao amin’ity ivontoeram-pialamboly iray ity, hoy izy ireo dia 8.000 Ar ny azy ireo, afaka mandray anjara amin’ny kilalao rehetra ny ankizy. Manomboka amin’ny 2 taona ireo mandoa io vidim-pidirana io. Tanjona ny hampialana voly kely ny fianakaviana mandritra ny faran’ny herinandro, mialoha ny hiatrehana ny herinandro vaovao indray. Mikasika ny orana manokana moa dia nambaran’izy ireo fa anisan’ny nisafidianana ny Batou beach izany hahafahan’ny rehetra mialoka amin’ny toerana azo antoka.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT