Nahavory olona marobe tokoa ilay hetsika “ Salon du bonheur et du bien être » nokarakarain’ny Kiss Madagascar tetsy amin’ny lapan’ny tanànan’Analakely nanomboka omaly.
Vao mangiran-dratsy dia efa nihodidina ny lapa ny filaharana, hetsika izay tsiahivina fa natao hanampiana ireo olona sahirana, tsy mba afaka mitsabo tena araka ny tokony ho izy intsony noho ny fahasahiranana mianjady amin’ny isan-tokantrano. Mpisehatra ara-pitsaboana 40 isa sy matihanina 40 no nanoro hevitra ny amin’ny tokony hanatanterahana azy. Anisan’ireny ny Image Appli sy ny Clinique Fidy etsy Ambatomainty izay manofana ankizy hivoaka ho mpitsabo. Raha araka ny fanazavan’ny dokotera Fidy Bariniaina dia dokotera sy profesora manana ny maha izy azy avokoa no manofana ao amin’ny Image Appli izay tsy mijanona eo amin’ny sehatry ny fampianarana fotsiny fa afaka mandray anjara amin’ny hetsika rehetra. Ho an’ny clinique Fidy etsy Ambatomainty manokana dia ankizy am-polony no nataony didim-poitra maimaimpoana omaly raha mbola mahatratra 100 ireo olona nagataka tapakila taminy ho avy anio tontolo andro, mandritra ny fifaranan’ny hetsika.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.