Hotanterahina eto amintsika ny 3 ka hatramin’ny 6 desambra ho avy izao ny « Salon des metiers de bouche », andiany voalohany.
Eny amin’ny Forello Expo Tanjombato no hanatanterahana izany hetsika entina hizara traikefa amin’ireo tanora vao misandratra mikasika ny resaka nahandro. Vahiny matihanina maro no ho avy hanampy ireo sefo mpanao sakafo eto amintsika mandritra izany no sady hizara ny traikefany ihany koa. Hampiavaka ny hetsika ny fisian’ilay « semaine du gout » eny amin’ny Le B’ Isoraka, tafiditra ao anatin’io salon io hatrany. Hitohy ny alin’ny 6 desambra izay famaranana ny hetsika ny lanonana. « Soirée du cœur » indray no hatao amin’izany eny amin’ny Hotely Panorama Andrainarivo izay hizara sokajy telo miavaka dia ny « chocolate show » hiarahana amin’i sefo Zo sy sefo Lalaina. Nahandro vahiny vita amin’ny vokatra malagasy tsy misy fangarony no hatolotra amin’izany miaraka amin’ny « buffet » avy amin’ny faritra maro any Frantsa, saingy vita amin’ny akora Malagasy. Miisa 15 ireo mpahandro matihanina vahiny hiara-kaneho ny fahaiza-manaony mandritra izany raha 20 isa kosa ireo sangany indrindra avy eto amintsika. Hatolotra ho an’ny fikambanana Elan du Coeur, hiahiany ireo ankizy sahirana an-jatony hizarana fanomezana azy ireo amin’ny fetin’ny noely moa ny vola rehetra azo avy amin’izany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.