Actualités

«Salon des études supérieures» Liana koa ny ray aman-dreny


  • Alakamisy 18 Oktobra 2012

Liana amin’ilay hetsika “Salon des études supérieures” na ny andiany faha-9 amin’ny «Salon de l’étudiant» karakarain’ny fikambanana tanora Mada Jeune nosokafana ofisialy tetsy amin’ny Kianja mitafon’Ankorondrano omaly hatramin’ireo ray aman-dreny ka manaraka ireo zanany vao afaka bakalôrea farany teo hatreny an-toerana mihitsy.

 Nambaran’ny filohan’ity fikambanana ity, Andriamahatsangy Lahatra tamin’ny fandalovana teny an-toerana fa natao indrindra izao fanovana anarana izao noho ny habetsahan’ny “Salon de l’étudiant” niforona tetsy sy teroa ka sao dia mampisavorovoro ny sain’ny tanora mpianatra. Marihina fa nitombo hatrany amin’ny 40 isa ny tranoheva mampahafantatra ny ivontoerana ambony samihafa eny amin’ity toerana ity. Misy ny sampam-pianarana vaovao sambany nampahafantarina tao. Iray amin’ireo mpandray anjara vaovao ny IT University eny Andoharanofotsy izay hany ivontoerana manompana ny fampianarany amin’ny sehatry ny informatika ranofotsiny eto amintsika sady miara-miasa amin’ny Microsoft eto Madagasikara, hoy Atoa Radaniela Nary. Marihina fa ny andiany faha-4 no horaisin’ity oniversite tsy miankina iray ity hianatra ao aminy manomboka ny alatsinainy 5 novambra izao. Ny alarobia 24 oktobra izao no farany fandraisana ny antontan-taratasin’ireo liana amin’izany. 

 
Manohy 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Sekertera jeneraly
  • Alakamisy 07 Mey 2026

vaovaon’ny Minisiteran’ny jono

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alakamisy 07 Mey 2026

"Ny fizahantany dia afaka

  • Raharaha ENMG
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Ampiharo ny lalàna ! »

  • Fitrandrahana solika
  • Alakamisy 07 Mey 2026

any amin’ny Plateau Mahafaly

  • ZAZA 5 TAONA
  • Alakamisy 07 Mey 2026

NISY NAMONO TANY MANDRITSARA

  • ANKILILAOKA-RN 9
  • Alakamisy 07 Mey 2026

Sarona ny tambajotra mpitrandraka hazo tsy ara-dalana

Hijery ny tohiny
FTT