Actualités

« Salon des études internationales » Hanomboka rahampitso


  • Talata 10 Martsa 2015

Noho ny fangatahan’ny mpianatra malagasy maro izay maniry mafy ny hanohy ny fianarana any Andafy dia manomana ny andiany faha-6 amin’ny « Salon des études internationales » indray ny fikambanana Madajeune

 

tarihan’Andriamahatsangy Lahatra. Rahampitso alarobia 11 sy rahafak’ampitso alakamisy 12 martsa izao etsy amin’ny Hotely Carlton Anosy no hanatanterahana ny hetsika izay hisokatra adin’ny 8 tsy miato (9ora maraina-5ora hariva). Hampiavaka ity hetsika ity, hoy ny mpikarakara, ny hahatongavan’ireo oniversité sy ivo-toerana fampiofanana samihafa avy any ivelany hihaona mivantana amin’ny mpianatra malagasy mandritra ireo roa andro ireo ary afaka hampiditra mpianatra avy hatrany any amin’izy ireo. Hosinganina amin’izany, ohatra, ny Grenoble School of management, Ecole supérieure de commerce et de développement Lyon, Ecole management de Normandie Le Havre,  Ecole de management – Esca Maroc, YK Busines School Maurice, Reachout Université en Inde et Autralie, Ambassade d’Indonésie, Turquie, Afrique du Sud, Campus France ho an’ireo te-hianatra any amin’ireo firenena ireo … Ny Education USA kosa no mpanohana ofisialin’ny hetsika. Mazava loatra moa fa tsy misaraka amin’ity « salon » ity ny valandresaka  miaraka amin’ny lohahevitra voafantina.

Ntsoavina Evariste

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT