Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly tetsy amin’ny lapan’ny tanŕna Analakely ny « Salon de la creativité Voatra » hetsika natao indrindra hamondronana ireo mpandraharaha manerana ny faritra maro izy io toa an'Analamanga mpampiantrano, Itasy,
Sofia, Atsinanana, Analanjirofo, Vatovavy, Matsiatra ambony, Boeny ary Bongolava. Tanjona ny hahafahan'ireo mpandraharaha ireo mivarotra sy mampahafantatra ny vokatra misy any amin'ny faritra niaviany, hahafahana mitady lalam-barotra entina hampiroborobo ny toekarena eto amintsika, hisy koa ny valan-dresaka arahana adihevitra.Nampiantrano ny lanonana amin’ny maha ben’ny tanàna azy Rtoa Lalao Ravalomanana, ary ity no fisehoana imasom-bahoaka voalohany tamina lanonana ofisialy natrehany amin’ny maha ben’ny tanàna azy ankoatr’ilay fihaonan’ireo ben’ny tanàna teny Iavoloha.Tazana teny an-toerana omaly ny minisitry ny kolotsaina, ny varotra sy ny minisitry fambolena izay voakasika mivantana amin’ity hetsika ity.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.