Actualités

« Salon de l’étudiant » Hatao ny 12 sy 13 janoary izao


  • Talata 10 Janoary 2017

Mbola betsaka amin’ireo tanora vao afa-panadinana Bakalôrea hatreto no tsy mahita na mahalala akory izay sekoly ambony azo antoka tokony hanohizany ny fianarany.

Toraka izany koa ny lalam-piofanana izay marihina fa efa tena betsaka tokoa amin’izao fotoana ka mila fantarina tsara. Mba ho fanampiana azy ireny dia hanatanteraka ilay Salon de l’étudiant manokana volana janoary etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina indray ny alakamisy  12 sy ny zoma 13 janoary ho avy izao ny Madajeune. Sekoly ambony manodidina ny 25 isa no handray anjara ao izay marihina fa efa nahazo fankatoavana avy amin’ny fitondram-panjakana avokoa sady eken’ny minisiteran’ny asa ihany koa ny diplaoma omeny. Raha ny fanazavan’Andriamatoa Lahatra Andriamahatsangy, tompon’andraikitra voalohany ao amin’ny Madajeune dia hanomboka amin’ny 9 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva ny fotoana mandritra ireo roa andro ireo ary 2.000 Ar ny fidirana. Manodidina ny 2.000 isa kosa ireo mpitsidika andrasana.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT