Ny lalam-piofanana paramed sy ny fitantanana ary ny management no mbola tena mahasarika ireo mpianatra vao afa-panadinana Bakalôrea eto amintsika.
Anisan’ny antony nanatanterahan’ny Madajeune ilay Salon de l’étudiant spécial janvier etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina izany nanomboka omaly. Manoro hevitra ireo mpianatra ny amin’izay lalam-piofanana mbola ilana manampahaizana eto amin’ny firenena ihany koa mantsy izy ireo, hoy Andriamahatsangy Lahatra, tompon’andraikitra voalohany izay tsy manakana velively ny safidin’ny mpianatra. Anisan’ireny ny tourisme, ny agro ary ny BTP izay mbola tena tsy ampy olona tokoa eto Madagasikara. Ankoatra izay dia nomarihiny fa vokatry ny fangatahan’ireo sekoly ambony maro no nanosika azy hanatanteraka ity salon ity izay hifarana rahampitso entina hitsinjovana ireo ankizy vao afa-panadinana baka tsy mbola niditra nianatra na tara fidirana. Sekoly ambony manodidina ny 25 isa moa no mandray anjara amin’izany izay ezahina hahatratra hatrany amin’ny 50 isa mandritra ny andiany faha-11 hotontosaina amin’ny volana janoary taona 2018. Nomarihin’Andriamahatsangy Lahatra fa efa misy mangala-tahaka sahady ity salon spécial volana janoary tanterahiny ity.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.