Actualités

Salon De L’emploi Et De La Formation Hanomezana asa manodidina ny 1500 isa


  • Alakamisy 23 Febroary 2017

Miezaka hatrany manampy ireo tanora tsy an’asa eto amintsika ny ivontoerana mpikarakara olona mitady asa MRH (Maganement Ressources Humaines).

Tolotr’asa manodidina ny 1500 isa indray no harantiny etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy Mahamasina nanomboka omaly, ao anatin’ilay hetsika “Salon de l’emploi et de la formation” andiany fahasivy. Tanora an’arivony sahady no tonga namaly ny antso omaly, antony  nanosika ny  Ministry ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa  Rasoarimalala Toto Marie Lydia nanao antso avo tamin’ireo ivontoeram-panofanana arak’asa mba tsy hanao kitoatoa  amin’ny fanofanana ireny tanorantsika ireny. Ny mampalahelo, na  betsaka aza ny tolotr’asa nefa tsy mahafa-po ny orinasa ilay tanora dia very maina fotsiny ihany ny ezaka ataon’ireny ivontoerana mpikarakara olona mitady asa ireny. Nohamarinin’Andriamatoa Mohamedaly Rafik, tompon’andraikitra eo anivon’ny MRH izany  satria raha  nahatratra 70.400 ireo tolotr’asa nomen’izy ireo , tao anatin’izay  andiany valo efa  vita  izay  dia ny olona miisa  2.100 monja no nahita asa noho ny fahamaivanan’ny traikefa sy fahaizana nananan’ilay mpitady asa. Hifarana anio ny hetsika.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT