Actualités

Sakoroka tao Toamasina Nitokona ny mpitari-posy


  • Zoma 15 Oktobra 2010

Nanao filaharambe avy eo nitokona nanoloana ny Lapan’ny tanàna ireo mpitarika posy sy posy bisikileta tao Toamasina omaly. Niainga tao Valpinson, Ankirihiry, Mangarivotra sy Ambolomadinika, Morarano sy Anjoma ary Depot Analakininina ireo “jokers” ireo ary nifamotoana teo amin’ny “esplanade” anoloan’ny Lapan’ny tanàna.

Ny fampiharana fanapahan-kevitry ny PDS handamina ny fifamoivoizana ao an-tanàna no nampirongatra azy ireo. Ny fisavana ataon’ny polisy monisipaly sy ny fanaovana «fourrière» ny posy izay miharo kolikoly no olanay, hoy izy ireo. Saika nivadika «Alakamisy mainty», tao Toamasina tampon-tanàna omaly.  

Mailo amin’izay mety ho fivadihan-javatra ny lehiben’ny distrika Toamasina I, Toalina Razafindrabary, ka nanome baiko avy hatrany, amin’ny maha mpisahana ny filaminam-bahoaka sy mpanara-maso ny Kaominina azy, ka nampihatona ao anatin’ny fotoana tsy voafetra ny fampiharana ity didy fanapahana noraisin’ny PDS momba ny resaka posy sy posy bisikileta ity. Haverina amin’ny tompony avokoa ireo posy nohazonina rehetra tao anatin’ny telo andro nanaovana ny fisavana, ary hatsahatra avy hatrany koa ny fisavana fanaon’ny polisy monisipaly. Nisy noho izany ny fihaonana teo amin’ny lehiben’ny distrika sy ny solontenan’ny mpitondra posy ary ny Emmo-Reg nilazana io fanapahan-kevitra io, sy nanentanana ireo mpilahatra mba tsy hanakorontana tanàna ihany koa. Nandritra izany rehetra izany dia nanepoka tsy sahy niatrika ireo vahoaka nitokona teo an-tokotanin’ny Kaominina ny PDS fa nihidy tao amin’ny biraony, tahaka izany koa ny lehiben’ny polisy monisipaly. Ny talen’ny kabinetra sy ny sekretera jeneralin’ny Kaominina no nifanehitra tamin’ireo mpitokona, hany ka nivoaka teo am-bavan’ireo mpitondra posy nitokona ny hoe «avereno Maire Gervais”, “Avelao izahay hiasa malalaka fa tsy misy asa noho ny krizinareo ihany”. Tonga hatrany amin’ny fitakiana ny fialan’ny PDS aza ny tenin’ny sasany.
 
Rakoutou
 
Encadré
Miisa 85 ireo posy niditra «fourrière». Miisa 12.000 ny posy miasa ao Toamasina I ankehitriny, ny 6.000 eo ihany anefa no manana taratasy ara-dalàna. Saika polisy, zandary, miaramila ary ny mpiasan’ny Kaominina no tompon’ny ankamaroan’ny posy miasa ao Toamasina ireto.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Minisitra Fanirisoa Ernaivo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Nisy fizarana vola

  • Depiote Nicolas Randrianasolo
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

« Mila mitandrina i Kolonely Michael !»

  • HORONAN-TSARY MAMOAFADY
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Tanora miisa 15 no nosamborina

  • KAOMININA ANTANANARIVO RENIVOHITRA
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Ankizy 759 isa notolorana kopia mari-pahaterana

  • Firaisamonim-pirenena
  • Alarobia 29 Aprily 2026

sy Fikambanan'ny tanora

  • KAOMININA TALATAMATY
  • Alarobia 29 Aprily 2026

Hotokanana tsy ho ela ny

Hijery ny tohiny
FTT