Taorian’ny fitokonan’ny mpianatra teo anivon’ny oniversiten’Antananarivo dia nanara-dia azy ireo koa ny mpianatry ny oniversiten’i Toamasina Barikadimy omaly maraina.
Resaka vatsim-pianarana iray volana tsy azo ny taona lasa sy ny vola 5.000 Ariary tsy naverina ary ny vatsim-pianarana telo volana nidirana miampy ny fanampiana manokana ara-pitaovan’ny mpianatra, no niteraka olana tao Barikadimy. “Omeo ny vatsim-pianaranay, avereno ny volanay, tsy miraharaha ny ho anay mpianatra mihitsy ny fanjakana tetezamita, tsy mijanona ny fitakiana sy ny fitokonana raha tsy azonay ny volanay, ary mitsahatra aloha ny fampianarana mandra-pivahan’izao olana izao”. Ireo no nambaran’ireo mpianatra nandritra ny hetsika nataon’izy ireo omaly maraina tao Toamasina.
Raikitra ny sakan-dalana sy fandorana kodiarana teo afovoan’ny arabe tamin’ny fanehoan-kevitra nataon’izy ireo, ka nahatapaka ny lalam-pirenena faha-02 (RN2). Raikitra hatramin’ny tora-bato ireo fiara nihazo ny RN2, ka nahasimbana fiara am-polony, araka ny vaovao azo tamin’ny mpitandro ny filaminana, anisany ny fiaran’ny FIP Toamasina. Izay no nahatonga ny mpitandro ny filaminana mitambatra tonga namaha ny olana mba tsy hitaran’ny raharaha eto ivelan’ny oniversite Barikadimy. Vokany, nisy ny sakoroka teo amin’ny mpitandro ny filaminana sy ireto mpianatra. Ny “Franchise Universitaire” rahateo efa mivaha ho azy raha misy toe-javatra tahaka izao, araka ny didy efa navoakan’ny filohany Atoa Horace Gatien. Namaly tamin’ny tora-bato anefa ireto mpianatra, ka mpitandro ny filaminana 03 no vaky loha sy naratra “mafy” vokatra izany, ka iray avy amin’ny polisy ny FIP ny roa kosa avy amin’ny Zandary. Voatery nisambotra mpianatra izy ireo, ka mpianatra heverina fa nitora-bato niisa 28 no voasambotra izay nanaovana fanadihadiana teo anivon’ny zandary mitarika ny Emmo-Sécurité Toamasina.
“Samy tompon’andraikitra amin’ny fihetsika nataony ny rehetra, tsy maintsy atao ny fanadihadiana, tsy azo ekena ihany koa izay mandratra mpitandro ny filaminana. Nefa miankina amin’ny fitsarana ny tohiny”, hoy ireto mpitandro ny filaminana. “Efa ataon’ny mpianatra fahazarana loatra ny fanimbana fananan’olona ka tsy azo leferina izany, satria tsy misy hidiran’ny vahoaka ny olan’ny vatsim-pianaran’ny mpianatra tsy azony”, hoy hatrany izy ireo namarana ny fanazavany. Araka ny vaovao farany, dia nisy ny fihaonana teo amin’ny mpitandro ny filaminana tao amin’ny tranoben’ny Faritra Atsinanana sy ireto mpianatra, nefa tsy nisy vokany izany samy nitazona heviny ny rehetra. Mpianatra 23 kosa no efa novotsorana omaly tolakandro, ny 05 no mbola nohazonina ary araka ny vaovao re dia hiditra fitsarana ny raharahany, ka anjaran’ny mpitsara no mandray ny fanapahan-kevitra farany izay inoana fa tsy handamina ny olan’i Barikadimy, izay mbola mangotraka miandry ireto namany 05 mirahalahy.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.