Tokony handraisana fepetra ny amin’ireo toeram-pilanonana sy fialamboly ary trano fisotroan-toaka sasany ao Toliara ao, fa manjaka loatra ny gaboraraka. Misy ny misokatra hatramin’ny maraina. Ny tabataba sy teny ratsy, mampanampin-tsofina ny manodidina. Maso mahita, hatramin’ny mpitandro filaminana natao hiaro ny olona sy ny fananany dizin’ny toaka miady sy mifamono ao anaty «bar» !
Olona efatra no naratra, vaky loha voavely tavoahangy ny iray. Io no vokatry ny ady saritaka tao anatina «bar karaoké» iray tany Toliara, ny alin’ny alahady teo.
Saika matin’ny fitsaram-bahoaka
Raha ny fanazavana azo dia nisy telolahy efa mamomamo avy nanatrika ny fampisehoana nataon’ny tarika Dadi Lova sy Mahafaly Mihisa tao amin’ny «Jardin de la mer» afak’omaly, no niditra nanohy nanala azy tao amin’ny trano fisotroana sy fihirana ity. Nila vaniny tao izy telo lahy ireo sady nanery tovolahy iray niaraka tamin’ny namany nisotro tao hividy toaka, satria hono tsy ampy revy tany amoron-driaka. Nanda ity farany ka raikitra ny fifamaliana. Iny hivoaka handeha hivalan-drano iny ilay tovolahy sahabo 26 taona no novelesin’ny iray nanao «mimi» tamin’ny tavoahangin-dabiera, ka naratra mafy. Tezitra ny olona nisotro tao ka raikitra ny rombo. Saika matin’ny olona ireo telolahy nila vaniny raha tsy nalaky nitsoaka izay efa naratran’ny daroka.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.