Actualités

Sakoroka tao amin’ny Coum 67 HA Trano fivarotana 120 potika, entana an-tapitrisany maro very


  • Talata 11 Aogositra 2015

Vao miandoha ny herinandro dia sakoroka. Nifandona ireo mpivarotra asa tanana etsy amin’ny Coum 67 ha sy ny mpiasan’ny Kaominina Antananarivo renivohitra omaly.

 

Nalana tamin’ny toerany mantsy iretsy voalohany, fihetsika izay tena nanohina azy ireo mafy tokoa raha mbola ny 24 aogositra sy ny 03 septambra ho avy izao indray vao handeha fitsarana ny raharaha ady tany ifanolanan’izy ireo amin’ny SEIMAD. Nanomboka tamin’ny 4 ora maraina ny saritaka. Nitaraina ireo mpivarotra fa nisy “gros bras” maro niaraka tamin’ny mpiasan’ny Kaominina narahin’ny Emmo-Reg roa 4x4 tonga nandrava ny tranon’ireo mpivarotra. Nisy tamin’izy ireo no voakasi-tanana. Trano fivarotana miisa 120 ihany koa no potika niampy ireo entana very tao anatiny. Raha ny fanazana-dRazafimandrato Voahangy filohan’ny fikambanan’ny mpivarotra asa tanana ao an-toerana dia nahazo fandrahonana ny tenany ary efa nisy naka sary mihitsy.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • GĂ©rard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT