Ady lova an-taonany maro no nivadika sakoroka sy ra nandriaka ny alatsinainy maraina teo, tany amin’ny Kaominina ambanivohitr’i Mahaboboka, Distrikan’i Sakaraha. Raim-pianakaviana iray naratra mafy voafira famaky teo amin’ny lamosiny, ny tratrany ary ny ilan-kibony an-kavia
, ka torana tsy nahatsiaro tena noho ny fahaverezan-dra be loatra. Mbola miady amin’ny fahafatesana amin’izao ity rangahy 45 taona ity. Araka ny vaovao voaray dia nifamaly vao maraina ireto mpihavana ka nivadika fifanjevoana niafara tamin’ny sakoroka izany. Tsy naharesy tosika ny iray ka nandeha naka famaky ary avy eo niditra an-keriny tao amin’ny trano nisy ilay lehilahy niady taminy, ary namono azy tao. Nitsoaka nandositra ny nahavanon-doza rehefa vita ny asa ratsiny ka nifanenjehan’ny fokonolona tany anaty kirihitr’ala, kanefa tsy tratra. Amin’ny trangam-piarahamonina nandatsahana ra tahaka izao amin’iny faritra Atsimon’ny nosy iny dia hatahorana ny valifaty raha tsy voalamina haingana amin’ny alalan’ny kabary ambany kily (raharaham-pihavanana). Ny ankamaroan’ny olona niharam-boina sy ny fianakaviany mantsy dia tsy mitory any amin’ny mpitandro ny filaminana na any amin’ny fitsarana, fa maso solon’ny maso.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.