Manoloana ilay raharaha tsy fizaran’ny biraom-pirenena misahana ny loza voajanahary eto amintsika na ny BNGRC ireo sakafo fanampiana traboina 1 kaontenera efa natolotry ny fikambanana Fanahy maha olona 7 volana lasa izay dia nanambara tetsy amin’ny hotely Le Louvre Antaninarenina omaly ny filohan’ity fikambanana ity,
Ny Rado Rafalimanana, fa menatra ny fitondram-panjakana malagasy satria ny fikambanan’ny mpanjaka any Dubai no miara-miasa amin’ny Fanahy maha olona amin’ny fizarana ireo entana. Tokony ho 30 kaontenera, hoy ny tenany, no nentina taty saingy nifanaraka tamin’ny BNGRC izahay hoe zarao madio tsara aloha ireo kinanjo nampirimin’ny BNGRC moa ilay izy. Hankininay amin’ny mpisolovava Willy Razafinjatovo na Olala, hoy izy, manomboka izao ny tohin’ny raharaha fa ny tenako kosa tsy maintsy ho any Dubai hivory mikasika ity zavatra ity. Naseho tamin’ny mpanao gazety omaly moa ny sertifika nanehoana fa efa navadika tamin’ny anaran’ny BNGRC ireo fanomezana satria izay, raha ny fanazavana, no lalan-tokana ahafahana mizara ireo sakafo fanomezana ho an’ny traboina. Iny omaly iny kosa ny teo anivon’ny BNGRC, tamin’ny alalan’ny sekretera mpanatanteraka, Thierry Venty, dia nilaza fa tsy nanova izany anarana izany hatramin’ny farany ny fikambanana Fanahy maha olona. Rehefa tsy foinareo hozaraina, hoy ny mpisolovava Olala, ny sakafo ary efa simba izao dia hano. Mafana ity raharaha ity ary ahiana hiitatra tahaka ny sima misioka satria samy mijoro amin’ny heviny ny roa tonta. Toa mampiseho hatrany ny fifandrafiana mamely ny firenena koa anefa ilay izy koa na sakafo hanampiana traboina izao aza dia mbola hita hifampivazavazana foana.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.