Ny 51,7%-n’ny tokantrano malagasy no tsy nanana sakafo hohanina nandritra ny enim-bolana faharoan’ny taona 2014. Miovaova io salan’isa io arakaraka ny fari-piainan’ny tokantrano.
Nahatratra 74% izany ho an’ny sokajin’olona tena mahantra raha 26% kosa ho an’ireo manan-katao. Io no vokatry ny fanadihadiana «A l’écoute de Madagascar» notanterahana ny volana janoary 2015 teo.
Arivonimamo
Ahiana hihetsika ihany koa ny bolongam-bato iray ao amin’ny tanànan’i Manankasina Arivonimamo. Trano fonenana hatrany amin’ny 50 no tandindomin-doza mivantana. Efa nivory moa ny «Organe Mixte de Conception» ary efa nisy nidina tany an-toerana ny Bngrc.
Fihaonan’i Bandung
Tanterahana any Indonezia ny fivoriana tampon’i Bandung andiany faha-2. Nanomboka ny 19 aprily teo ny fihaonana tany an-toerana. Handray anjara amin’izy io i Madagasikara ka hitarika ny delegasionina amin’izany ny filohan’ny Repoblika.Omaly no nandao an’i Madagasikara ny ny delegasinonina.
Herinaratra ambanivohitra
Nametraka tanjona hampisitraka herinaratra ny tontolo ambanivohitra i Madagasikara. 10% io salan’isa io amin’ny taona 2020, araka ny vinavina.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.