Poa-basy tsy an-kiato tao amin’ny kartien’i Saint Denis, Paris, omaly vao mangiran-dratsy nandritra ny fisamborana ny ampahany tamin’ireo atidohan’ilay asa fampihorohoroana nahafatesana olona 129 ny alin’ny zoma 13 novambra 2015
. Maty ny roa tamin’ireo nokarohina, voatifitra ny iray, vehivavy mpanao vy very aina matin’ny fipoahan’ireo zavatra teny aminy ny faharoa. Nisy fito hafa voasambotra. Roa tamin’ireo polisy nanao ny fanafihana no naratra. Ankoatra an’i Frantsa, dia mihatra amin’ireo tany miankina aminy toa an’i Guadeloupe, Guyane, Martinique, Mayotte, La Réunion ary Saint-Barthélemy sy Saint-Martin ny fepetra amin’ny tany misy hotakotaka.
Russie
Niaiky ny Rosiniana fa tena asa fampihorohoroana no nampidaraboka ny fiaramanidina an’ny kaompania rosianina iray, tany Sinaï ka nahafaty ireo mpandeha rehetra niisa 224 tao anatiny. Hanome valisoa 50 tapitrisa dolara izay manome vaovao ahafahana misambotra ny atidohan’iny loza iny ny sampam-pitsikilovana rosianina.
Tanazanie
fahagagana ! Ankizy tsy ampy taona miisa 5, no niaina nandritra ny 41 andro tany amin’ny 100 metatra ambanin’ny tany, vokatry ny fihotsahan’ny tany tao amin’ny toeram-pitrandrahana volamena iray any Tanzania.
Maurice
Nahatezitra ny mpitondra sy ny mpanohitra atsy amin’ny nosy Maurice ny hamaroan’ireo mpaneho hevitra amin’ny tambajotran-tserasera facebook, manohana ireo djihadista mpampihorohoro syriana taorian’ilay zava-doza nahafatesana olona maro tao Paris ny alin’ny zoma teo.
Marine Le Pen
Tokony hametra-pialana ny governemanta frantsay taorian’iny vono olona mikararana niseho tao Paris iny, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Front National, Marine Le Pen.
Etazonia
Fiaramanidina roa tokony hiainga tany Etazonia hihazo an’i Frantsa no voatery nijanona, noho ny ahiahy amin’ny fisiana baomba tao anatiny. Ahiahy ihany anefa io.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.