Actualités

Saika niharan’ny hatezeram-bahoaka Noheverina ho jiolahy hay marary saina


  • Talata 12 Mey 2015

Tsy hay marina na tena marary saina na nody adala ity tovolahy ity rehefa tratra, fa nanohitra ireo nisambotra azy, ary nihizitrizitra be ny fihetsika toy ny tsy tompon’ny tenany izany. Mena be sady nidiridiry nila hipotsaka ny voamasony (mamon-drongony sa marary maso ?)

 

 Mila mailo sy mitandrina ihany amin’izao fa tsy kely lalana ny ratsy. Tovolahy iray no saika matin’ny vono ny antoandron’ny sabotsy teo, tao Andaboly Toliara. Novohainy ny fiaran’olona iray nijanona teo amoron-dalana (tsy teo ny tompony). Tsy voavahany anefa ny varavarana fa nihidy avy tao anatiny. Naka vato izy ka iny saika hamaky fitaratra iny indrindra no nisy nahatazana. Velona ny hazolava. Nitsoaka ity tovolahy ity ary nifanenjehana hatrany anaty tanàna. Samy nidaroka azy nanala ny fony ny rehetra, hatramin’ireo mpianatra handeha hody avy nandray anjara tamin’ny fifaninanana hazakazaka tao amin’ny kianja Maitre Kira, nentina nanamarika ny andro iraisam-pirenena ho an’ny atletisma natao tany Toliara.

Eric R.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT