Actualités

Sahanivotry Manandona Nahazo lakana indray ny mponina


  • Alarobia 18 Martsa 2015

Afa-pahasahiranana indray ny mponina ao amin’ny kaominina Sahanivotry Manandona fa vita ny lakam-by fampiasan’izy ireo. Fokontany roa no tena nisedra olana tamin’ny tsy fisian’ny lakana dia ny fokontany Maromanana sy Ambatolahy. Efa nisy lakam-by hatramin’izay fa teo ny lasan’ny ranobe ary ny iray vaky ka noraisin’Atoa Randrianantenaina José,

 

 solombavambahoakan’Antsirabe faharoa ny fanamboarana azy. Ny 65%-n’ny mpianatry ny CEG dia eny am-pita andrefan’ny kaominina avokoa izay tsy afa-nianatra mihitsy nandritra ny ranobe, hoy Rakotoniaina Harison, Lehiben’ny fokontany Ambatolahy. Olana ihany koa ny fitateram-bokatra ho an’ireo tantsaha satria ny lakana hazo dia tsy mahazaka firy. Ity lakam-by ity moa dia mahazaka mpianatra 20 mahery ary mahazaka vokatra bebe kokoa. Nambaran’ny solombavambahoaka fa tsy vao izao no nanolorany lakana ho an’ny mponina tao an-toerana. Mirefy 8 metatra ny halavan’ity lakana ity izay nitetim-bidy 7 hetsy ariary ny fanamboarana azy, efatra hetsy sy roa tapitrisa ny vaovao.

Caïus R


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT