Actualités

Sabotsy Namehana Trano 109 tsy maintsy horavana


  • Zoma 22 Mey 2015

Trano miisa 109 manamorona ny arabe avy eo Andombotany Ankadikely ka hatreny amin’ny tsenan’i Sabotsy Namehana no tsy maintsy horavana mba hahafahana mampitombo ny lalana eny Antananarivo Avaradrano iny. Araka ny fanambaran’ny mponina eny an-toerana ihany koa

 dia ny minisiteran’ny  Fanajariana ny Tany no namoaka ny  didy fandravana  mba  hisorohana ny  fiakaran’ny rano  amin’ny fotoanan’ny orana. Nolavin’ireo  mponina eny an-toerana anefa io  fanapahan-kevitry ny  fanjakana io  ka raha nandre izy ireo  fa handalo teny an-toerana ny Filoha Hery Rajaonarimampianina omaly nitokana tetezana iray mampitohy ny lalam-pirenena faharoa sy fahatelo iny dia nivoaka nitondra sorabaventy maneho ny  fandavany izany  fandravana trano izany ny mponina. Efa  nisy  ny  taratasy fanohanana nataon’ny mponina teny an-toerana nalefa tany amin’ny fanjakana foibe araka ny vaovao azo  saingy tsy mbola nahitam-baliny. Navoaka  avokoa moa ny ankamaroan’ireo  mpianatra  madinika teny an-toerana omaly mba hitsena an’Atoa Filoha.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT