Actualités

Sab-Nam Nifampitana indray ny Emmo-Reg sy ny taxibe


  • Alakamisy 21 Oktobra 2010

Ny fanorana na fakana vola tsy ara-drariny ataon’ny mpitandro filaminana no voalaza fa niaingan’ny disadisa. Tamin’ity indray mitoraka ity anefa dia tsy ny polisy no voatondro fa ny zandary mandeha môtô indray.

Nitokona tsy nisy nety niasa ireo taxibe marobe mampitohy an’i Sab-nam sy Ambodivona ary naka sisin-dalana. Voalaza fa fiara telopolo no indray nahazo «contravention» noho ny tsy fanarahan-dalàna. Nolazain’ireo zandary avy etsy Fort-Duschène fa tsy manaraka ny bokin’andraikitra (cahier des charges) izy ireo. Anisan’izany ny fametrahana olona dimy isaky ny seza. Eo ihany koa ny amin’ny fandraisana vola mitsangana izay raran’ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana hatrany. Raha ny filazan’ireo mpitatitra indray dia fanorana tsotra izao no nitranga. Nahoana no 30 isa no indray voasazy ? Amin’izay indray avy hatrany dia volabe no takian’ireo mpitandro ny filaminana, raha araka ny fanazavan’ireo. Niteraka fahasorenana ho an’ny mpandeha ity fitokonana omaly ity. Efa nanombotomboka tezitra ireo ny maraina, hany ka nitady vahaolana avy hatrany ny Ben’ny tanàna sy ny tomponandraiki-pahefana. Ny tolakandro ary dia fantatra fa naverina tamin’ireo taxibe tsirairay avy ny taratasin’ny fiaran’ireo izay nalaina.

Noheverina hilamina teo ny raharaha saingy toa efa tara loatra vao nanapa-kevitra ireo tomponandraikitra, hany ka tsy voafehy intsony ireo olona izay nametraka barazy tamin’ny alalan’ny kodiarana nodorana. Voatery niditra an-tsehatra amin’izay ny Emmo-Reg teo tamin’ny fanaparitahana ireo olona izay vory lanona sy tezitra. Naparitaka tamin’ny vovoka mampadatsa-dranomaso aloha izy ireo. Niverina ihany anefa rehefa kelikely ary mainka aza niharomotra ireo olona. Ny Emmo-Reg izay efa lasa no nantsoina niverina indray rehefa hita fa tsy ho voafehy intsony ireo olona. Raikitra ny tora-bato teo ary na ny fiaran’ny mpitandro ny filaminana aza dia voan’izany. Teo no nanomboka niraraka amin’izay ny baomba mandatsa-dranomaso. Raikitra ihany koa ny fifanenjehana tany anaty elakelan-trano rehetra tany.

Tamin’ny ora nialanay teny an-toerana, efa maizina ihany, dia mbola nitohy ny korontana. Nifampihantsy tanteraka mantsy ireo olona sy ny Emmo-Reg. Mazava ho azy ihany koa fa nisy ny saika hanararaotra ny hamaky ireo tsena tao anatin’ny fisavorovoroana. Raha ny vaovao farany azonay dia nisy olona 11 nosamborina omaly ary notazomina eny amin’ny zandary.
 
r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT