Actualités

Run – Dingana fah-3 Nanjakazaka i Jaona Elite sy ny Smart Drag


  • Alatsinainy 01 Jona 2015

Namokatra avy hatrany ingahy depiote, Jaona Elite raha vao nanova fiara niatrika ny dingana fah-3 amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara sokajy Pro-run izay natao omaly teny amin’ny BATAC Arivonimamo.

 Marihina fa vao tapa-bolana izay no tonga avy any Portugal ny fiara Smart II Drag nampiasain-dRandriarimalala Harijaona omaly ary teny Arivonimamo mihitsy izy araka ny nambarany vao nanandrana azy io tonga dia fahombiazana avy hatrany. 11,446 no fotoana vitany tamin’ny famaranana izay nandreseny mazava an-dRakotoson Tsilavina nanamory P205 Turbo (13,013). Lah-3 kosa Ravahimanana Alexandre (13,036) izay nanilika an-dRamanandraitsiory Teddy nitondra Smart (14,877) tamin’ny fiadian-toerana. Tsy nandray anjara moa i Chan Yu sy ny Ford Cosworth Ravaomaria izay nandrasan’ny maro tokoa hifanandrina amin’i Jaona Elite sy ny Smart II Drag. Tany amin’ny dingan’ny fifanintsanana voalohany kosa i Vazaha sy ilay fiara Mitsubishi nohafarana avy any Texas Etazonia dia efa tojo olana sy niala an-daharana. Nandrombaka fanintelony ireo dingana efa vita hatreto sahady kosa Andriamaharo Frederic sy ny VW Golden Cox tamin’ny sokajy run. 13,126 no fotoana vitany tamin’ny famaranana izay nandreseny an’i Voniharinjaka Andry nitondra P205 (13,988). Lah-3 kosa i Andrianasolo Toonie nanamory Saxo (15,554) ary lah-4 i Joeliharison Sitraka nitondra Golf T-II (15,575). Mbola misy dingana telo ambiny moa amin’ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara run ka ny 19 jolay ny dingana fah-4 manaraka izay hokarakarain’ny AMA indray.

Rasanda Serge


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • LalĂ na mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT