Mitohy ny lalao karakarain’ny « Commission jeune » eo anivon’ny seksion’ny rugby Antananarivo-Renivohitra ka omaly alakamisy 14 mey teny amin’ny kianja Makis Andohatapenaka dia nobatain’ny XV Top Lion sy ny XV Frčres ireo omby roa natao amboara hoan’ny fihantsiana sy ny famaranana ny tompondaka sokajy « cadet » rehefa samy nandresy avy ny Wallabies 14-13 sy ny XV Rapide 10-6 izy ireo.
Teo amin’ny lalao D-1, ny Tmaa nandresy ny Pyraniah 13-11. Hoan’ny lalao Mafy Be Top 14 kosa Ikopa nandresy an’ny Usa Ankadifotsy 10-5 ary Tfma nanilika ny Tam Anosibe 12-9. Ho lazaina amin’ny manaraka ny lalao famaranan’izy roa tonta fa amin’ny sabotsy izao kosa dia hisy ny lalao famarana sokajy D-3 ho tontosaina eny amin’ny kiana Parc Anosizato hifanandrinan’ny Etoile du Sud Ankadimbahoaka sy ny Cfm Ampandrana ka hanolorana omby mifahy ho amboara. Mialohan’izany manomboka amin’ny 9:00 maraina : Zambla # Tma (D-2) ; 10 :30-XV Cousin # Fcm (D-2) ; 12:00-Tamia # Cosm du Sud (Finale ady « coupe » D-2) ; 1:00-XV Trançonneuse # XV Matic.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.