Actualités

Rovan’Antsahadinta Tsy misy mpiraharaha


  • Alatsinainy 27 Febroary 2017

Vitsy dia vitsy ireo olona tonga mitsidika ny rovan’Antsahadinta, raha ny fitantaran’ireo mponina vokatry ny lalana ratsy dia ratsy mihazo ity vako-pirenena ity.

Araka ny fanazavana dia efa ho 30 taona izao no tsy nisy nikitika ity lalana ary eo Andohandavenona ka hatreo Andohanimanga, izay mirefy 3 kilaometatra sasany tsy hidirana ny rova, no tena mananosarotra indrindra. Tsy vitan’izay fa dia manimba amin’ny ampahany betsaka ny fitaterana ireo voankazo vokatra fiharian’ny mponina avy ao an-toerana ihany koa izany fahasimban’ny lalana izany, indrindra rehefa fahavaratra, hoy hatrany ireo mponina. Potika eny an-dalana ireo kaki sy frezy vokatry ny fitontotontonany ao anaty fiara. Fikambanana iray ao an-toerana ankehitriny no manana tetikasa hampanao tsipaipaika ireo mponina izay manodidina ny 11600 ao an-toerana hahafahana manamboatra ity lalana 3 kilaometatra sasany voalaza teo ity. Rehefa natao, hoy izy ireo ny kajikajy dia eo amin’ny 60 tapitrisa ariary eo ho eo ny tetibola ahafahana manatanteraka ny tetikasa ary 1000 ariary isam-batan’olona no alaina amin’ireo fokonolona 18 taona no mihaotra ao an-toerana dia efa mety ho tratra izany rehefa tsy hanampy ny fitondram-panjakana. Na izany aza anefa dia mbola manao antsoavo ny fitondrana foibe ihany izy ireo mba hijery sy hanampy amin’ny fanarenana ity lalana ity.

Mirija   

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT