Mitaky ny hampakarana ho 50 % ny vola raisiny azo avy amin’ny fitsidihana ny rova ny Kaominina Ambohimanga Rova. Mbola mijanona ho 20 % ihany mantsy ny vola raisin’ny Kaominina azo avy amin’izany hatreto araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Oscar, fikambanana iray nomen’ny ministera alalana hitantana ity rova ity. Tsy ampy hikarakarana sy hanaovana ny asa sosialy eo anivon’ny kaominina anefa izany, hoy ny Ben’ny tanàna Ravoninjatovo Fidimalala, indrindra ny fitantanana ny fako mivangongo ao amin’ity rova ity izay mahamenatra ny mpitsidika tokoa. Tsy mahalala afa tsy ny Kaominina anefa, hoy ihany ny Ben’ny tanàna ny rehetra. Izany indrindra no nanosika azy hanao izao fitakiana izao no sady mitondra fanazavana ho an’ny rehetra. Nambarany fa tokony hisy vola manokana hitantanana ny fako eo anivon’ny kaominina raha tiany ny hampandeha tsara ny fitantanana ny tanàna. Iaraha-mahalala anefa, hoy izy fa tsy manana vola voatokana ho amin’izany ny Kaominina Ambohimanga Rova. Eo an-daniny, mbola 20 % monja ihany ny vola raisiny azo avy amin’ny fitsidihana io rova io ka tsy hahafahan’ny Kaominina manoatra. Raha toa kosa anefa, hoy izy ka tontosa soa aman-tsara ilay 50 % hangatahin’ny Kaominina amin’ny Oscar dia azo tanterahina tsara ny fanalana ireo fako mivangongo ao amin’ny rova.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.