Actualités

Rova Manjakamiadana Mbola miriaria any ny nampandoro azy


  • Zoma 06 Novambra 2015

Roapolo taona aty aoriana, tsy mbola hita ny tena marina tamin’ny nahamay ny Rova teny Manjakamiadana ny 6 novambra 1995, olona 12 no nosamborina sy nogadraina.

 

 Irakiraka fotsiny ihany anefa izy ireo fa ny mpaniraka sy ny atidoha nikotrika ny fandorana dia tsy mbola voasambotra hatramin’izao. Tena fandorana no natao satria araka ny fanadihadiana tamin’izany fotoana dia nisy ny fampiasana « explosif ». Tsy ny olon-drehetra no mahay izany fa olona efa nianatra ny momba an’io sy manana traikefa. Araka ny fandinihan’ireo mpamakafaka politika dia anisan’ny nanaratsy endrika ny fitondran’ny Pr  Zafy Albert ny fahamaizan’ny Rova ary nitarika mihitsy ny firodanany avy eo. Hetsika maro no hanamarihana ity tsingerintaona faha-20 nahamay ny Rova ity ka ao ny  famelabelaran-kevitra sy ny takariva  miavaka   hamakiana ireo tononkalo mirakitra ny nahamay ny Rova. Hiakatra eny Anatirova moa anio amin’ny 10 ora ny filoha Hery Rajaonarimampianina ary andrasan’ny maro izay mety ho fanambarany, indrindra mahakasika ny fanarenana sy ny tohin’ny fanadihadiana. Mbola manitikitika ny saina ihany koa hatramin’izao ny nalehan’ireo vola nangonina natokana  ho  fanarenana ny Rova. Izay minisitra  nifandimby teo dia samy nilokaloka ny hanao zavatra  avokoa kanefa hatramin’izao tsy misy zava-pantatra ny momba  ny nahamay ny rova. Tsy vao izay ihany koa moa no fanadihadiana  maty an-karanany  teto   Madagasikara fa efa maro  tsy tambo isaina.

Andry Ratovo   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Raharaha
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Résidence d’Ampasikely » Nosy Be

  • Kolikoly avo
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

lentan’ireo mpitondra teo aloha

  • Ny Antsa Rakotobe
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

«Betsaka ny lesona

  • Saika hanatitra
  • Alakamisy 29 Oktobra 2026

kojakojan-dreniny

  • Ahiahina tsikombakomba
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

avo lenta ara-tany ao Mantasoa

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

«Efa hita fa tsy mety ny

Hijery ny tohiny
FTT