Actualités

Rotsak’orana Mbola tena hatevina amin’ity volana febroary ity


  • Alarobia 21 Febroary 2018

Na dia efa mamaramparana ny volana febroary aza isika ankehitriny dia fantatra fa mbola tena hatevina tanteraka ny rotsak’orana eto an-drenivohitra sy any amin’ny Faritra, raha araka ny fanadihadiana natao teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro.

 
Nanomboka ny 19 febroary lasa teo ka hatramin’ny 25 febroary ho avy izao, ohatra, dia  izay hahatratra 150 mm ny haben’ny rotsak’orana ho an’Analamanga, Itasy, Vakinankaratra, Nosy-Be, Ambilobe, Ambanja, Analalava. Mbola hisitraka oram-be ihany koa manomboka ny 26 febroary ka hatramin’ny 04 martsa ny any Ambanja, Tsaratanana, Maevatanana … Ho antsika eto an-drenivohitra manokana dia efa miomana tanteraka amin’izany ny sampana mpamonjy voina. Ankoatra ny fanentanana manerana ireo fokontany 192  izay efa natombok’izy ireo talohan’ny fotoam-pahavaratra dia mandeha manao fitsirihana any amin’ireo faritra mena  ihany koa izy ireo toy ny eny Amboninampamarinana arahin’ny fikapana ireo hazo efa tena antitra. Ho an’ity farany manokana dia eny Ambohimiandra no miasa ny mpamonjy voina ankehitriny. Eo an-danin’izay dia efa mandray ny fepetra mifanandrify amin’ny asany ihany koa ny APIPA. Efa miasa tsy miato ankehitriny ny “station de pompage” eny Ambodimita mitroka ireo rano mandeha amin’ireo tata-drano telo lehibe eto an-drenivohitra, ho fiarovana ireo mponina eny amin’ny faritra iva. Tsy mbola misy atahorana ny mety ho fiakaran’ny rano eto an-drenivohitra,  hoy ny tale jeneraliny Rateloson Philippe.

Pati


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • 48 ora taorian’ny
  • Zoma 23 Oktobra 2026

fanambaran’ny PRRM

  • SALON
  • Zoma 23 Oktobra 2026

INTERNATIONAL DE L’HABITAT

  • Fandraharahana
  • Zoma 23 Oktobra 2026

ara-pizahantany

  • GRANDE BRADERIE
  • Zoma 23 Oktobra 2026

DE MADAGASCAR

  • Ady amin’ny kolikoly
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ara-tany goavana Andrasana ny

  • Lalàna mifehy
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

ny fampiasana ny teknolojia nokleary

Hijery ny tohiny
FTT