Actualités

Rotary district 9220


  • Alarobia 26 Aogositra 2015

Mandalo eto Madagasikara Atoa Marie Fumery governoran’ny Rotary district 9220 ho an’ny taona 2015-2016.

Nihaona tamin’ny praiminisitra teny Mahazoarivo izy omaly. Nilaza ny hanamafy ny fiaraha-miasany amin’ny governemanta Malagasy ny Rotary ary anisan’ny asa goavana imasoany ny ady amin’ny aretina lefakozatra. Ho an’i Madagasikara manokana dia miisa 19 ny clubs Rotary, 12 ny clubs Rotaract ary 2 ny clubs Interact.

Mpianatr’Ankatso

Mbola voatazona eny amin’ny tobin’ny zandary eny Betongolo i Jean Pierre, ilay mpianatra voasambotra teny Ankatso ny alatsinainy lasa teo. Atao fanadihadiana izy, fanakorontanana filaminam-bahoaka no hiampangana azy ary ahiana ho anisan’ireo nitoraka fiara teny Ankatso izy.

Mamaky teny sy manoratra

Homarihana ny 8 septambra ho avy izao eny Mahitsy ny andro iraisam-pirenena momba ny fahaiza-mamaky teny sy manoratra. Goavana ny ezaka tsy maintsy ataon’i Madagasikara satria tsy mahay mamaky teny sy manoratra ny antsasaky ny Malagasy ankehitriny.

Fitoniana

Manentana ireo solombavambahoaka mba hifantoka amin’ny fanatanterahana ilay « pacte de responsabilité » ny filohan’ny antenimieram-pirenena Jean Max Rakotomamonjy mba hisian’ny fitoniana politika.

Sampana vaovao

Tafasokatra soa aman-tsara omaly talata ny biraon’ny sampana Hafari Malagasy any Anjiro-Moramanga PK 78 amin’ny RN 2. Hanainga hamonjy ny foaran’i Vakinankaratra any Antsirabe indray anio ny delegasiona tarihan’ny filoha nasionalin’ity firohotana ity.

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Nanaitra
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny Jirama ny PRRM

  • Gérard Ramamimampionona
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Milaza hoe te hanavao izao ny

  • Afera sinoa 11,
  • Talata 27 Oktobra 2026

olona ambony voatonona

  • Tale mpanatanteraky
  • Talata 27 Oktobra 2026

ny ONTM vaovao

  • FIZAHANTANY MATIHANINA
  • Talata 27 Oktobra 2026

Tompon’andraikitra maromaro

  • MALOTO
  • Talata 27 Oktobra 2026

NY RIVOTRA ETO ANTANANARIVO

Hijery ny tohiny
FTT