Tontosa ny faran’ny herinandro teo tao amin’ny efitrano malalaky ny Médiathèque Ambatondrazaka ny fandraisana ireo olona telo nanatevina ny fikambanana mpanao asa soa Rotary Club Lac Alaotra.
Telo mirahalahy izy ireo no nanolotena ho anisan’ny mpikambana ao anatin’io fikambanana Rotary any Alaotra io, ka mpandraharaha ara-toekarena ny iray ary samy mpitsabo kosa ny roalahy. Nisy ny fianianana nataon’izy telo mirahalahy nandritra io fotoana io. Fiaraha-misakafo no namaranana ny fotoana. Nifanindrandalana tamin’ity fotoana ity ny fanolorana fitaovana samihafa ny toeram-pitsaboana any Antanandava toy ny Plaque solaire sy seza misy kodiarana. Nanome voninahitra ireo fotoana ireo ny minisitry ny rano Ndahimananjara Joanita sy ny lehiben’ny faritra Alaotra Mangoro Ranaivonirina Jean Yves.
Niry A
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.