Manampy betsaka amin’ny fanovozam-pahalalana ny famakiam-boky. Nanolotra boky ny Sekoly tsy miankina INA sy ny Ecole Française lac Alaotra ary ny CHRR Ambatondrazaka no ny Rotary Club Ambatondraka.
Ahitana fianarana teny vahiny toy ny allemand miampy boky siansa sy fifandraisana ireo boky nomena ny telo tonta ireo. “Mifanojo indrindra amin’ny faha 40 taona ny sekolinay izao”, hoy ny tale ny sekoly INA koa antenaina fa hanatsara ny fampianarana ato aminay amin’ny 40 taona manaraka ny fisian’ireo boky izay natolotra. Na mihazakazaka aza ny fanatotoloana dia tsy tokony atao ambanin-javatra ny famakiana ny boky hoy ireo rehetra nandahan-teny tamin’ny fanolorana ireo boky ireo. Raha te ho ela velona hoy ny talem-paritry ny fahasalamana dia mila mikaroka zava-baovao hatrany. Tafiditra ao anatin’ny drafitrasa ho tanterahana ao amin’ny taom-pitantanana 2017-2018 ny manao zavatra misy fiantraikany amin’ny mpiara-belona hoy ny filoha ny Rotary Club Lac Alaotra ny dokotera Razafindramanana Rija.
Niry A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.