Mitohy hatrany ny hetsika tanterahin’ny Fikambanana Rotary Club Antananarivo Doyen amin’ny fanomezana kopia mari-pahaterahana ireo ankizy tsy mbola manana eto amintsika.
Teny amin’ny kaominina Sabotsy Namehana sy Alasora no nanolorany tamim-pomba ofisialy, enim-bolana taorian’ny nikarakaran’ny fikambanana ny fitsarana mitety vohitra nentiny nanampiana ireo ankizy ireo. Andiany fahatelo amin’ny asa soa nataon’ny fikambanana amin’ny fizarana kopia maimaimpoana faobe omaly. Ho an’ny kaominina Sabotsy Namehana manokana dia nitombo ny isan’ireo olona nisitraka ny fizarana noho ny fahatsapan’ny ray aman-dreny fa sakana tsy hahafahan’ny zanany mianatra ny tsy fananana kopia. Toraka izany ihany koa ny tsy fahazoana kara-panondrom-pirenena hahazoana mifidy izay tena mahavery zo tanteraka. Saika tonga nanome voninahitra avokoa ireo Ben’ny tanàna tao anatin’ny distrikan’Avaradrano.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.