Namono faran’izay haingana ny afo ny governemanta manoloana ilay fikasihan-tanana resevera nataon’ny polisy teny amin’ny 67ha ka nitarika rotaka teny an-toerana.
Ny sabotsy teo, tokony ho tamin’ny sivy ora maraina, dia nihaona tetsy amin’ny Marais Masay ny roa tonta, izany hoe ny Praiministra Camille Vital sy ireo mpitatitra miandraikitra ny zotra 183 izay nitokona ary nilahatra niainga teny Ambatobe ka saika hihazo ny 67 ha. Nanambara ireo mpitatitra fa tsy hiverina amin’ny asany andavanandro, izany hoe tsy hisy ny zotra 183 raha tsy avoaka faran’izay haingana ilay resevera namany. Voarain’ny Praiministra izany hafatra izany ary teo no ho eo ihany dia navoaka ilay resevera. “Iny izy averina aminareo rehefa avy nosafosafoina kely”, hoy ity tomponandraikitra ambony ity. Raha ny fanamarihan’ny Praiministra ihany dia hisy ny fanadihadiana misokatra amin’ireo polisy roa lahy niandohan’ny gidragidra. Io indray dia matetika fomba fialana bala sy hanalefahana ny zava-misy ihany. Asa raha mba tena hosaziana araka ny lalàna velona ary koa araka ny lalàna anatiny amin’ny maha polisy azy (sanction disciplinaire) izy ireo. Hita ho tsy faly ihany ny polisy manoloana ity tranga ity.
Raha nanontanina mantsy ny tomponandraikitra iray eo anivon’izy ireo dia nilaza fa tokony mba ho nohadihadian’ny olona tsara ihany ny tena zava-niseho. Nisy ny tsy fanarahan-dalàna nitranga ary nisy ihany koa ny fidarohana, saingy ny nitarika ireo polisy ho amin’izany dia misy antony mazava. Mena ambanin’ny mena moa ka tsy maintsy tanterahina ny baikon’ny ao ambony. Ankoatr’izay dia tsikaritra fa mihenjan-droa ny tady eo amin’ny taxibe sy ny polisy mpandrindra fifamoivoizana. Taorian’ny nilazan’ny lehiben’ny polisy mantsy fa hofandrihana ary hosaziana avy hatrany ireo polisy mpanotra dia toa nanomboka sahisahy ireo mpamily taxibe izay mahatsiaro ho voaotra isaky ny mandeha. Heverina ho misy hifandraisany amin’izay rahateo ilay tranga tetsy 67 ha. Amin’ny lafiny iray koa anefa dia afaka manaporofo mivaingana ireny zava-niseho ireny fa leo tanteraka ny afitsoky ny mpitandro ny filaminana ny vahoaka. Mafy loatra ny fanenjanana ataon’izy ireo kanefa ny fiainana efa mazana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.