Actualités

Rotaka tetsy 67 ha Ary mba iza ireo manao fanamiana sivily nitifitra ?


  • Talata 21 Septambra 2010

Roa lahy izy ireo. Ny voalohany manao tee-shirt fotsy, pataloha jean manga ary manao satroka jobo manga. Ilay faharoa kosa dia tee-shirt somary manga tanora miaraka amin’ny jeans maramara.

Samy nitazona kalachnikov izy ireo ary nitifitra na dia tifi-danitra aza nandritra iny rotaka tetsy amin’ny 67 ha ny zoma lasa teo iny. Mipetraka avy hatrany ny fanontaniana hoe sivily ve izy ireo sa kosa mpitandro ny filaminana ? Raha ny tsikaritra mantsy dia izy roa lahy ireo mihitsy no nitari-dàlana ireo Emmo-Reg tonga nanampy teny. Ny an’ireo farany aza mba ireny basy fandefasana baomba mandatsa-dranomaso ireny ny teny an-tanany fa ny azy roa lahy kosa avy hatrany dia kalachnikov. Mampatsiahy ireny fitokonana teny amin’ny 13 mey tamin’izany andro ireny ity zava-niseho ity. Rehefa nisy nanao fanamiana sivily dia lazaina avy hatrany fa milisy ary notatatataina tamin’ny haino aman-jery ny fisian’izany. Izao kosa efa tsy misy henatra intsony, tsy fantatra na milisy na tsia, fa olona manao fanamiana sivily no mitifitra amin’ny kalachnikov. Ary mba aiza ho aiza koa moa ilay hoe : «professionnalisme» na fahaiza-manao izay ventesina lava amin’ny haino aman-jery ? Tsy tokony hiainga amin’ny fanerena an’ireo olona ireo hanao fanamiana tokony mifandraika amin’ny asa ataony ve raha toa ka misy tokoa ny fahaiza-manao ? Asa angaha … 

r.d

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Actualités

  • Fanapahan-kevitra stratejika
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Hanova mpamatsy solika i Madagasikara

  • Afera ara-tany goavana
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Mandeha ny fampiadiana

  • AMBALAMADIRO,
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

ANKIABE SALOHY

  • Fanohanan’ny
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Faritra Analamanga

  • Varatra
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

nitera-doza

  • PM Rajaonarison Mamitiana
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

Manana ny programany i Madagasikara,

Hijery ny tohiny
FTT