Nifanindran-dalana tamin’ny raharaha Lanto Rakotomanga teny Namontana sy ny fihaodihaodin’ny mpitandro filaminana teny amin’ny manodidina ny foiben’ny haino aman-jery VIVA teny Ambodivona dia nambenan’ny mpitandro ny filaminana
fatratra teny Antaninarenina ihany koa omaly alatsinainy alina Atoa harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia, mpanao gazety, efa minisitry ny serasera teo aloha ary miara-miasa akaiky amin’ny vondrona politika Mapar sy Atoa Andry Rajoelina, filohan’ny tetezamita teo aloha. Araka ny fitantarany tamin’ny mpanao gazety dia tsy misy na inona na inona afeniny fa entany avy amin’ny diany tany Foulpointe no ao, hoy izy. Lasa nandeha moa ireo mpitandro ny filaminana fa tsy nisambotra sady tsy nisava ny fiara. Mety ho tantara mitohy koa izy ity fa dia ho hita eo.
Nangonin’i RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.